3FB CLAM Karaté-Do Befelatanana

3FB CLAM Karaté-Do Befelatanana

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from 3FB CLAM Karaté-Do Befelatanana, Martial Arts School, Andakana, Antananarivo.

Photos from 3FB CLAM Karaté-Do Befelatanana's post 23/05/2026

Fisaorana,

Izahay fianakavian’Itkpl Hanshi RANDRIAMIARAMANANA Justin Désiré « Radezy » dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno hoan ny mpikambana rehetra ato amin Club 3fb CLAM karaté Do izay noforoniny sy natsangany ary nanokanany ny ampahany betsaka tamin ´ny fiainany : ny Ray Aman -dReny sy ny ankizy rehetra tsy ankanavaka , ny mpikambana taloha , ny namana rehetra tsy mahafoy nanohana an i Hanshi Radezy hatrizay , ireo solon-tena sy ambaratonga rehetra tonga nidodododo, nampionona sy nankahery anay tamin’ny fahoriana izay nihatra taminay.

Tsara levenana ny maty. Ny Tompo Andriamanitra anie hamaly fitia anareo tsirairay avy. Misaotra Tompoko.

15/05/2026

lehibe no ilazana antsika fa nandao antsika omaly Alakamisy 14 Mai 2026 Hanshi RANDRIAMIARAMANANA Justin Désiré izay Fondateur ny CLUB 3FB CLAM Karaté-Do rehefa nivahiny 92 taona teto an-tany.
Ity no solon ' ny Fampandrenesana

Photos from 3FB CLAM Karaté-Do Befelatanana's post 11/03/2026

Tontosa ny Sabotsy 07 Martsa teo ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2026 niarahana t@ RAD sy ny mpanohana ny club.

Mirary soa an ' i Hanshi Desiré manokana ho lava velona ary ny club 3FB CLAM hisondrotra @ avo indrindra.

Arigato Goisamasu 🙏

Oss

04/01/2026

3FB CLAM Karaté-do izay tarihin ' i Hanshi Desiré dia miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona 2026. Mirary soa sy fahombiazana.
Samy ho tahian ' Andriamanitra.
Oss

Photos from 3FB CLAM Karaté-Do Befelatanana's post 11/12/2025

Criterium Karaté Ceinture Noire 06 & 07 Décembre 2025
Ismael : Médaille de bronze (Kata Cadet Homme)
Manda : Médaille d'argent (Kumité Cadet Homme -52kg)
Raphaela : Médaille d'argent (Kumité Senior Dame -50kg)
Nomena : Médaille de bronze (Kumité Senior Dame -61kg)



20/04/2025

Miarahaba antsika mahatratra ny P***a 2025 . Fiadanan ' ny Tompo ho amintsika mianakavy.

Aza adino ny fivorian ' ny RAD @ Asabotsy 26 Aprily etsy Ambanidia @ 2 ora tolakandro.

Ilazana ihany koa isika izay voakasika fa misy entraînement ny compétiteur @ Alarobia 23 Aprily 2025 @ 8 Ora ka hatramin ' ny 10 Ora maraina

Oss

Photos from 3FB CLAM Karaté-Do Befelatanana's post 18/03/2025

Salama.

Faly izahay fa tanteraka t@ Sabotsy 8 Martsa 2025 ny fivoahana voalohany ao anatin ' ny taona izay natao tetsy Ambohibao.

Niara-nisakafo izahay ary niara-niala voly ary niara-nisaina.

Misaotra an ' ireo izay tonga ary manentana hatrany ny hafa hanao ho zava-dehibe ny fiarahana fa mitsiry foana ny hevitra hampandrosoana ny club rehefa tafaraka.

Oss

Photos from 3FB CLAM Karaté-Do Befelatanana's post 26/01/2025

Faly izahay fa tanteraka omaly ny Fifampiarahabana nahatratra ny taona 2025

isaorana Andriamanitra voalohany indrindra

isaorana izay rehetra namaly ny Fanasana

3FB CLAM 2025
Karaté intelligent
Karaté Fiainana mihitsy.
Karaté mamolavola olom-banona 🇲🇬🥋

20/01/2025

3FB CLAM KARATE-DO
Miarahaba tompoko.
Mampatsiahy ny fifampiarahabana nahatra ny taona 2025 izay ho tanterahana @ Sabotsy izao 25 Janvier 2025 ao @ Dojo Befelatanana manomboka @ 9 ora sy sasany maraina.
Hanasana ireo mpikambana rehetra sy ny RAD. Hiara-hifaly sy hiara-hiala voly isikia.
Mitondra tsakitsaky sy zava-pisotro.
Hanao tsipaipaika ihany koa isika hiarahabana an ' i Hanshi Désiré ara-pomba Malagasy.
Mandrampihaona
Oss.

31/12/2024

3FB CLAM KARATE DO.

Miarahaba antsika nahatratra ny Krismasy 2024 ary samy hatratra ny taona vaovao 2025.

Manasa ny mpianatra hanao entrainement miaraka @ Hanshi Désiré ny Sabotsy 04 Janoary 2025 ho avy izao.

Hiomana sahady ihany koa isika @ fifampiarahabana amin'ny taona vaovao izay ho tanterahana @ Sabotsy 25 Janoary 2025 @ 10 Ora maraina ao @ Dojo. Samy mitondra zava-pisotro sy tsakitsaky toy ny mahazatra.

Aoka hifampilaza!

Mirary soa ary manaova fety sambatra

Oss

28/12/2024

Miarahaba antsika nahatratra krismasy 2024, mirary antsika hahatratra ny taona 2025.
«Miara belona, Miara sambatra amin'ny Fifankatiavana tanteraka».
Hanshi Désiré RANDRIAMIARAMANANA

(Ra Dezy)

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Andakana
Antananarivo