Anjara Gabrielle

Anjara Gabrielle

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Anjara Gabrielle, Sport & recreation, Antsirabe.

30/12/2025

Inona tel ampiasainareo zareo? Ndao MBA valiana Amin commentaire oe,anao fisarihana za 30 déc d omeko téléphone io Amin sary io Zay voasarika fa zarao n'y page,d tagué o le namana ,invitez o le namana ho abonné ny page tsika
30 déc 17 h sarihana izay Mahzo an io tel io d avaokatsika eto

24/12/2025

Fiadanana ooo!
Aza ketraka fa mitrakà;tsarovy fa manana an'ilay Tompon'ny fahefana isika Dia Jesosy Kristy.
tahian'i Jesosy ❤️

24/12/2025

Ao Aminy irery ihany.
Ao Ilay Harena nafenina,izay tsy azon'izao tontolo izao fa azon'ireo izay mandray an'i Jesosy Kristy Tompo ao am-pony ihany.
Ny zava-tsarobidy Dia misy fiaretana tamin'ny fitrandrahana azy ka raha mitsapatsapa Dia Kely ny fanantenana Ary hinoana fa ho azo izany;fa ho an'izay miharitra ary maharitra dia ho avy ny fotoam-pijinjana.
Tahaka izany io tontolo ara-panahy io;misy trandrahana ao ary hananana fanantenana tanteraka ny firosoana ny amin'izany kanefa tsarovy fa Mila maharitra sy miharitra fakam-panahy maro,ho avy ny Andro ho voaray Ilay Harena nafenina Dia Ilay Fanjakan'ny lanitra.
Io fifankazarana ,io fifandraisana amin'i Jesosy io Dia tsarovy fa hitondra fiadanana ho antsika Ary ahazoana ny soa ;indrindra indrindra izay tena antenaintsika mihaotra n'y rehetra Dia Ilay fiainana mandrakizay.
tahian'i Jesosy ❤️

24/12/2025

Aza atao ampisaraka sy ampalaina anao izay vavaka Mbola tsy nivaly.Ezaho mafy ny fiantsoana ka aza kivikivy fa Raha toa ka mahasoa anao Dia omeny anao.

24/12/2025

Ry namako,
Ren'i Jesosy ny vavakao,
Hitany ny mahazo Anao,
Fatany ny sentonao
Tsy sanatria hoe manadino anao Izy
Fa ny Azy Dia izay mahasoa no ataony.
Tsy lalodalovana Izy
Tsy hoe tsy miraraha
Fa eo anivon'ireny zava-mitranga ireny
Miasa IZY ao ambadika ao
Fotoanany no tsy Hay hoe rahoviana
Raha fatany fa tsy ampisaraka anao Aminy
Dia tanterahany izay hetaheta
Raha toa kosa ka omeny valimbavaka
Dia amin'ny fotoana tsara indrindra.
Koa mahereza,mivavaha mandrakariva
FA MIASA JESOSY.
Tahian'i Jesosy ❤️

24/12/2025

Nahoana mihitsy moa!????
Jesosy Raha IZY iny hiakatra hihazo ny lapan'ny voninahitra iny dia mbola tsy nanadino antsika ,noporofoiny tamin'ny teniny izany [Jaona14:27"Fiadanana no avelako ho anareo,ny fiadanako no omeko ho anareo:tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo.Aza malahelo na matahotra ny fonareo ".]
Efa nomeny isika fa tsy mahay mandray ary indrindra tsy miraraha an'ilay fanomezany.
Izany hoe efa eo an-tanatsika ny fiadanana Ary miavaka satria tsy hita n'aiza n'aiza Ary tsy azo avy am'iza Raha tsy avy Aminy irery ihany FA KOSA toa tsy mahatoky Azy isika hoe marina vé Ary izany koa nahoana ny fiainako no Mbola tahak'izao!?
Eeeeee!aza adino fa rehefa hisakafo ianao Dia Mila maka vilia,sasana mba hadio tsara Ary fafana tsara Dia izay vao hasiana Ilay sakafo matsiro eo amboniny.Finaritra ery ianao mijery an'izany ka mazoto homana.
Mahaiza Ary mampiasa Ilay Fiadanana nomeny ka Itokio hoe anisany nomeny ianao(tsy misalasala),mazotoa mifandray amin'ilay Tompon'ny fiadanana ary indrindra indrindra ry namako TSOFY RANO NY TENANAO Ho fanehoan'Andriamanitra ny voninahiny.Aza miteniteny foana aàaàa!tahaka ny hoe olana no avoaka ny vava sesilany fa mba ny tsara foana.
Tahian'i Jesosy ❤️

24/12/2025

Lazaiko anao androany fa TSISY CONDITION NY AN'I JESOSY ❤️🥹.
Ny olona anakiray raha mijery sy mandinika olona hotiaviny,hiaraka hamakivaky azy ity fiainana ity dia misy condition(ny ankabeazany izany).Zavatra maro no jereny amin'izany:ao ny mijery ny fihaviany,ny endrika amam-bika,ny farim-piainana,ny antokom-pivavahana,ny toetra amam-panahy,marobe tena tsy tambo isaina....Rehefa Tonga amin'izay fomba fijeriny izay izy na koa hoe tafiditra ao amin'ilay tena hitiavany azy;eny fa na Dia tsy mahafeno tanteraka ny fepetra ilainy aza Dia izay vao tena roso amin'ny dingana ilaina ka hiditra amin'ny fanambadiana na amin'ny fanorenan-tokantrano.
FA JESOSY KOSA RY NAMAKO Dia tsotra ny Azy,MITIA ANAO TSISY CONDITION IZY ❤️❤️❤️. N'inon'inona fahaizanao sy fahalalanao;efa mahafantatra ny fisiany vé ny olona iray sa tsia!?sa efa Kristianina manaraka ny sitrapony vé!?Mpivavaka aiza ?katolika sa protestanta sa inona vé ianao!?mivavaka alahady sa sabotsy vé!?zanak'olona manakatao sa manahoana ianao?avy aiza fihavianao!?sns.....
Tsarovy fa tsisy ijereny an'izany velively fa TIANY TSOTRA IZAO IANAO.Noporofoiny tamin'ny nanolorany ny ainy izany MBA ho famonjena antsika rehetra tsisy ankanavaka.
Na inona fahadalantsika na inona fahalemetsika na inona re fahadisoantsika Dia babo ny fitiavana antsika Izy.
Tsisy toa Azy oooo!????
Noho izany Dia aza misalasala mitia Azy fa tsy manam-paharoa izany ry namako.
Tahian'i Jesosy ❤️

24/12/2025

Fiadanana oooo!
Ahoana izay atao hoe "EFA NANDRAY AN'I JESOSY IZANY"
Ny Zavatra iray rehefa tiana hanana ,indrindra ilay efa fantatrao fa hahasoa ny fiainana dia nisy fomba natao ahazoana azy.Mety nisy fihafiana tao vao azo ilay izy,nisy nafoy tao ambadika tao(indrindra moa rehefa zava-tsarobidy izay).Rehefa azo ilay izy Dia kolokoloina fatratra ka tsy ho very ,tsy ho tonta ka hampiena ilay fitiavana azy.Mino aho fa tsapanao izany eeee!!!?
Toy izany koa ilay dingana ara-panahy!isika mety liana te ahafantatra be be kokoa an'ilay Jesosy Kristy (efa nisy fanahin'Andriamanitra niasa teo matoa Tonga amin'izany);izay torian'ny olona marobe ankehitriny hoe namonjy antsika.Tsarovy fa mila dingana izany,mila miroso ,mila miditra vao mahafantatra tanteraka hoe izao Ilay antom-pisiany tety amin'izao tontolo izao.Rehefa tafiditra ao anie ka mahatsiaro amin'izay Ilay tena fitiavany eeee!eo Ilay hoe "resy lahatra" ka mahatonga an'ilay hoe "FANDRAISANA AN'I JESOSY".Izao anefa be Zavatra ampafantarina ao fa tsy azo atao intsony satria tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra ary eo Ilay hoe be Zavatra afoy.
Ny mahagaga kosa anefa ry namako isany Dia izao ,rehefa tena kolokoloina io ara-panahy io Dia TSY MAFY AKORY NY MAHAFOY IZAY FAHAZARANA REHETRA TSY ARAKY NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA satria IANAO EFA TENA NANDRAY AN'I JESOSY "DIA LASA FIAINANA ILAY MANDEHA ARAKY NY SITRAPONY".Lasa tsy hoe tery fa lasa normal aminao fotsiny Ilay tsy mandeha amin'ny fahazarandratsy satria tena efa tafakambana amin'i Jesosy ianao Ary indrindra tena efa MANANA AN'I JESOSY AO ANATINAO.

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antsirabe?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antsirabe