17/03/2024
MISY
Misy voninkazo tsy azo ambolena,
Raha tsy maloka ny andro.
Misy tononkalo tsy azonao foronina
Raha tsy malahelo.
Misy koa fitia tsy azonao fefena
Rehefa mihandrohandro.
Misy koa ny tsiaro tsy azonao kobonina,
Rehefa injay manelo.
Misy ranomaso tsy azonao arotsaka
Na dia mampijaly
Misy vaky boky tsy azonao tohizana
Fa banga ny takilany
Misy tsiky anaty anaty tsy sahinao aposaka,
Sao dia tsy mivaly.
Eny, misy any, tsy azonao rohizana
Ny maso natanilany.
TR
28/10/2023
Mihezaka mitsiky
Mihezaka mitsiky aho mba tsy ho fanatrao
Fa misy ratra sy alahelo ao anatiko ao
Mihezaka mitsiky aho mba tsy hoitanao
Ireo toloko sy ireo talao
Mihezaka mitsiky aho hanakomako ireo fery
Mba tsy hisy ahatsapa fa izaho miady irery
Mihezaka mitsiky aho hanafenako ny sainto
Mba tsy hisy malala ireo zioga hoentiko
Mihezaka mitsiky aho na dia ory sy tsy faly
Mba tsy hisy ahatsapa fa izaho olo_mijaly
Mihezaka mitsiky aho na dia manaintaina
Mba tsy hisy handre rehefa mitaraina
Mihezaka mitsiky aho na dia kivy sy ketraka
Mba tsy hisy ahatazana fa izaho resy sy reraka
Tsiory Nosedraina
04/08/2023
❤️İt's a blessing to be alive, like to show some love❤️