30/08/2026
Tontosa androany Alahady faha 30 Août 2026 tao à Androrangabe Antaratasy ny lalao manasa-dalana mandroso karakarain'ny Section Foot-ball Toamasina II ,izay sahala avokoa ny vokatran'ny lalao iray sy iray (1-1) FC Ankariera sy ALEXICO Amboditandroho , ary tsy nisy ny nitoka ny teo amin'ny CLUB AMBOHIMANARIVO sy JFA Farafaty Amabodisaina.
Hisaorana manokana ny fahatongavagnan'ny SG Ligue Football ATSINANANA,ny Lefitrin'ny ben'ny tanana Amboditandroho,ny filohan'ny DRA Toamasina II ary ny lehiben'ny fokontany roa tonta ANTARATASY sy AMBOHIMANARIVO ary ireo ray aman-dreny mpitantana sy mpitaiza tanora,ny lalao miverina kosa dia atao amin'izao Alahady faha 06 Septambra 2026 ao amin'ny ENAP Antetezambaro.
04/01/2025
Tontosa ny Alahady 29 Desambra 2024 lasa teo ny lalao famaranana karakarain'ny SECTION FOOTBALL TOAMASINA II izay nandresen'ny Ekipan'ny AS ZAMIA tamin'ny isa Telo noho aotra (3-0) manoloana ny Ekipan'ny ASM Marofaria.
Mazava ho azy fa nahazo ny laharam-boninahitra tompon-daka ny Ekipan'ny AS ZAMIA ary tompon-daka lefitra ny Ekipan'ny ASM Marofaria.
Voasokajy ho mpilalao nampiditra baolina betsaka indrindra ny mpilalao avy ao amin'ny ASM Marofaria dia Atoa Claudio.Ary mpiandry tsatokazo mahay na ny meilleur Gardien i Atoa Lido avy ao amin'ny AS ZAMIA.Meilleur Coach dia Maître JEAN Sasy avy amin'ny ASM Marofaria,ary samy nahazo médaille hoso-bolamena avokoa ireo miptsara efatra mianadahy.
Isaorana manokana ny filohan'ny FMF Atoa ALFRED tamin'ny fanomezana ny loka na Coupe GM iray sy PM iray.
Tonga nanotrona sy niatrika ny lalao ny SG Ligue Football Atsinanana Atoa ALBERTO ,sy ny Présidente Section Toamasina I ramatoa RIVO,ny inspecteur régional des Arbitres Atsinanana Alain GREGOIRE,teo koa ny solontenan'ny olomboafidy toy ny Assistant parlementaire Toamasina Il Atoa DOMINIQUE sy ne Ben'ny tanana Foulpointe teo aloha Atoa Jaonina.
Isaorana ihany koa ny filohan'ny DRA Toamasina Il sy ireo mpitsara miara miasa aminy,tsy adino koa ireo rehetra nifanome tanana tamin'ny fanantanterahana sy fanantontosana ireo lalao nokarakarain'ny Section tamin'ity taona 2024 ity.
26/03/2024
Tontosa tamin'ny Alahady faha 24 Marsa 2024 ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2024 ny fiadiana ny ho tompondakan'ny Section Football Toamasina II sy ny fitokonana ny "poteaux des buts" izay natao tamin'ny kianja IHOTSIKA,Commune Ampasimbe Onibe, District Toamasina II.
Misy ny lalao fanokafana izay nifandonan'ny Ekipan'ny ASB (Bekotana) sy Androrangavola ka nisaraka tamin'ny isa 5-0.
Ny lalao faharoa kosa dia ny Ekipan'ny DFC Ampasimbe sy COBRA (IHOTSIKA),ka ny vokatra dia 0-0(sahala).
Ireo lalao roa sosona ireo dia natrehin'Atoa Jonah Roilahy , solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'i Toamasina II sy Atoa Georges Fety, ben'ny tanànan'i Commune Ampasimbe Onibe sy Atoa Adelin Serge Mahefa , filohan'ny Section Football Toamasina II sy ireo mpikambana ao amin'ny Section.
29/12/2023
Dimbiniaina Andriatianarivelo - Izy no anisany mpitsara Malagasy izay hitsara ny lalao ny CAN 2023 izay hatao any Côte d'Ivoire ny volana janoary ho avy izao.
Izy ihany koa no Malagasy tokana voafantina hiatrika izany. 🇲🇬
18/09/2023
Tontosa soaman-tsara ny fizarana ireo fanamiana izay nampanantenain'i Filohan'ny Section Football Toamasina-II Andriamatoa MAHEFA Adelin sy ireo mpiara miombonantoka aminy ny asabotsy lasa teo.
Samy velom-pisaorana ireo ekipa efatra voalohany nandritra ny Championnat Section farany teo ary faly sy ravo tanteraka.
Nanome toky izy ireo ny iraihina ary tena samy hiezaka amin'ny lafiny rehetra mba samy hikatsaka ny tombotsoa ambony ka hampandroso ny kitra ao TOAMASINA-II.
Hita ihany koa ny fahavononana hiditra amin’ny lafiny matianina kokoa.
31/08/2023
🏆 Ny ekipa tompondaka🏆 FC TROPICAL AMBODIATAFANA
31/08/2023
Fanolorana ireo mari-pankasitrahana ireo zay mendrika tamin'ity taom-pilalaovana 2022-2023 ity. 🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥
31/08/2023
⭕️⭕️⭕️ Ireo mpankafy sy mpanohana izay tonga maro nanohana ny ekipany avy hisaorana ianareo rehetra tsy ankanavaka. Ataovy tonga aminjareo jiaby agny !
31/08/2023
🚨⚽️ Ampahan-tsary tamin'ny lalao famaranana ny 27 aogosotra lasa teo tao amin'ny kianjan'ny ENAP Tetezambaro, Toamasina II.
31/08/2023
Tontosa ny alahady faha 27 aogosotra lasa teo tao amin'ny kianjan'ny ENAP Tetezambaro, Toamasina II ny lalao fiadina ny toerana : 🥉 faha-telo sy ny 🏆 famaranana ny fiadina izay ho tompondakan'ny Section de Football Toamasina II.
Ireto ary ny vokatra tamin'izany.
🥉 Match de classement (3e Place)
BAGDADAH DE FOULPOINTE 1️⃣ 🆚 3️⃣ T3M ANALAMALOTRA
🏆 Grande finale
FC TROPICAL AMBODIATAFANA 2️⃣ 🆚 1️⃣ LES ÉTOILES ANDRANOTSARA
⭕️ Izany oe ny 🏆 FC TROPICAL AMBODIATAFANA 🏆 no tompondaka tamin'ity taom-pilalaovana 2022-2023 ity !
⭕️ FC TROPICAL AMBODIATAFANA sy LES ÉTOILES ANDRANOTSARA no hisolo tena ny Section Toamasina II amin'ny fifaninana Inter-section izay hanomboka atsioatsy.
🎯 Abonnez-vous à la page