17/09/2026
TSY AMPY NY FINOANA FOTSINY !
Mety hiteny tahaka ny ankamaroan'ny olona ianao hoe:
« Rehefa mino an’i Jesosy fotsiny rangahy dia ampy a! » 🙏
Saingy,
Inona no hita eo amin’ny fiainanao rehefa miatrika fakam-panahy ianao?
Mankatò ny Tenin'Andriamanitra ve ianao, sa mijanona amin’ny teny fotsiny?
📖 𝗙𝗜𝗡𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗥𝗜𝗦𝗜𝗞𝗔, 𝗙𝗜𝗡𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗦𝗘𝗛𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗔
Efa maro ny olona naheno ny Filazantsara toriana etsy sy eroa. Manaiky ny fisian'Andriamanitra ny olona, betsaka ny andinin-tSoratra Masina fantany, ary mahalala koa fa JESOSY no Mpamonjy.
Indray andro anefa, rehefa niantso azy ny Tompo mba hibebaka sy hanova ny fiainany, dia nisafidy ny hijanona amin’ny fahazarany taloha izy.
𝙍𝙖𝙝𝙖𝙡𝙖𝙝𝙮 𝙨𝙮 𝙖𝙣𝙖𝙗𝙖𝙫𝙮,
Tsy ampy ny filazana fotsiny hoe mino.
Ny finoana marina dia tokony mitarika antsika hankatò an'i Kristy. Rehefa miasa ao am-ponao tokoa ny finoana avy amin'ny Tenin'i Kristy, dia miteraka fibebahana, miseho amin’ny fankatoavana ary mitondra faharetana. ❤️
📖 « Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. » — Jakoba 2:17
INONA NY HITA REHEFA VELONA NY FINOANA ?
🔷 Finoana an’i Jesosy Kristy, ilay loharanon’ny famonjena.
🔷 Fibebahana amin’ny fahotana ary miala amin’ny làlan-dratsy.
🔷 Fanekena hatao batisa ho fankatoavana ny didin’i Kristy.
🔷 Fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, tsy amin’ny teny ihany fa amin’ny fiainana.
🔷 Faharetana ampitiavana hatramin’ny farany, na dia misy fitsapana aza.
Hoy ny Hebreo 5:9: « ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy, » — Hebreo 5:9
Tsy ny fahenoana fotsiny no ilaina.
Antsoina isika hino, hankatò, hibebaka, hatao batisa ary haharitra hatramin'ny farany ao amin’i Kristy JESOSY mba ho isan'ny hovonjena.
𝙁𝙖𝙣𝙤𝙣𝙩𝙖𝙣𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣𝙖𝙤:
Inona no dingana tokony hataonao anio mba hanehoana fa velona ny finoanao?
1️⃣ Fibebahana
2️⃣ Fankatoavana
3️⃣ Batisa
4️⃣ Faharetana..
💬 Soraty ao amin’ny "commentaire" ny fanehoan-kevitrao.
Zarao amin’ny olona iray tianao hahalala ny marina momba ny finoana ankasitrahan'Andriamanitra ity hafatra ity. 🙌
©️ 2026