24/03/2026
RAHA TIANAO HILAMINA NY FIARAHANAREO.
ATSAHARO NY FANANANA FIERTÉ BE NA NY AMBO-PO BE FANAONAO IO
👉Diso toerana mantsy izy raha anatiny fiainam-pitiavanao no hanehoanao azy.
👉Ary raha tianao aharitra ny fiarahanareo dia tsy misy toeran'ny fizahozahoana anatin'ny fiarahana.
👉Tsy misy izaho ambony
👉Tsy misy tsy maintsy ny ahy no arahana
👉Tsy misy satria izaho ny lehilahy na izaho no vehivavy
👉Tsy misy izaho no mibaiko
👉Tsy misy izaho indray aloha dia tsy azo atao an'izao
👉Tsy misy tompoko.
👉Tsy lafatra ny sipanao na ny vadinao. Ianao koa tsy lafatra rahateo.
👉Mahaiza mifandefitra rehefa mbola tsy mihoa-pefy ny ataony.
👉Mahaiza mamela
👉Mahaiza tena mi-comprendre ny olona miaraka aminao.
👉Na izany aza, hajao ny limite napetrakao foana mba tsy hisin'ny fanararaotana
23/03/2026
🔷REHEFA MAHANTRA IANAO DIA MANGINA IZAO TONTOLO IZAO 😭
🔷 FA REHEFA MANAM-BOLA IANAO… DIA MIHODINA NY TONTOLO!
👉Rehefa manomboka mahazo vola ianao, rehefa miova ny fiainanao, rehefa hita fa miakatra ianao… dia tampoka teo maro ny olona manodidina anao .
👉Misy hanontany hoe: “Taiza no nahazoanao an’izao?”
👉Misy hanadihady hoe: “Inona no ataonao?”
Misy aza mety hieritreritra ratsy…
🔷FA FANTATRAO VE NY TENA MARINA?
👉 Rehefa mahantra ianao… mangina izao tontolo izao.
👉Tsy misy manontany anao hoe ahoana ny fahorianao 😔
👉Tsy misy liana amin’ny tolona ataonao isan’andro 😓
👉Tsy misy mijery ny ranomaso na ny fijaliana lalovanao… 💔
Fa rehefa tafakatra ianao…
💥 dia lasa “resaka” ianao
💥 lasa mahaliana
💥 lasa tadiavin’olona
⚠️ Izany no fiainan’olombelona… tsy mitovy ny fijery rehefa ambany sy rehefa ambony.
Koa aza gaga… aza kivy…
Fa ataovy hery izany! 💪🔥
👉 Raha manontany izy ireo, valio amin’ny asa sy fahendrena
👉 Raha mitsikera izy ireo, valio amin’ny fahombiazana
👉 Ary raha tsy mino izy ireo, asehoy amin’ny vokatrao ✨
🌱 Tsarovy:
Tsy ny fanontanian’izy ireo no zava-dehibe… fa ny lalana nalehanao sy ny faharetanao.
🚶♂️💭 Nandalo fahoriana ianao…
Niasa mangina ianao…
Nandefitra, nianatra, niezaka…
👉 Ka aza avela hisy hanala baraka ny ezaka nataonao!
🔥 Ny tena zava-dehibe dia tsy ny hoe aiza no nahazoanao vola… fa ny hoe ahoana no nahatonga anao ho ilay olona mahavita azy!
💖 Mandehana hatrany… aza mijanona!
Na misy miteny, na misy mitsikera…
Ny fahombiazanao no valiny tsara indrindra!
23/03/2026
🔷TANDREMO SAODE TRATRANY PLAN B ÉMOTIONNEL🔷
👉Efa avy niady tamin'olona tiany tany IZY vao manambitamby anao.
👉Efa tsy raikitra ny azy sy ilay olona nieritreretiny zay IZY vao manambitamby anao.
👉Efa diso fanantenana avy any IZY zay vao mahay manome fitiavana anao.
🔷TADIDIO ANEFA:
👉IANAO tsy méga ny TELMA na ORANGE ka ho activités-na refa tapaka NY WI-FI.
👉IANAO tsy jiro kapoaka na la bougies ka réfa tonga ny délestage zay vao tadiavina.
👉Manana valeur-nao IANAO dikany zany aza manaiky ho atao 2 ème choix.
20/03/2026
TE HO LASA LAVITRA ANAO???
👉AZA ATAO ROUE DE SECOURS ANDRIAMANITRA FA ATAOVY MPAMILY NY FIAINANAO FA HO TONGA AMIN'NY TANJONAO IANAO.
20/03/2026
🔷AZA MAMPIJALY TENA ARY AZA MAMONO TENA 🔷
👉Relation efa hitanao fa toxique be sady manimba ny ao anaty no mamotika ny ety ivelany no iainanao fa dia mbola tamana ao ianao ??
👉 Aza miaina AMIN'NY Relation mitovy amin’ny sakafo matsiro misy poizina ,izay jerena ivelany mampilelamolotra, nefa ny ao anatiny mahafaty.
👉Aza miaina AMIN'NY Fiarahana mitovy amin’ny vatampaty, mamirapiratra sy mateza erÿ nefa fatin’olona maimbo kay no ao anatiny.
Efa ela nareo no niaraka, ary efa aman- taona dia tsy mbola niova faona izy.
👉Fa iza ny olona tadiavinao handray decision eo amin’ny toeranao ?
NY fitarainanao nefa hitondra inona ho anao izany raha tsy mijoro ianao ka sahy handray decision ??
19/03/2026
👉NY FAHOMBIAZANA SY FAHITANA VOKATRA DIA TSY MIFIDY SARANGA ARY TSY MIJERY TAREHY KOA.
👉FA REFA VONONA MIKATSAKA AZY IANAO DIA HO TONGA AMINAO IZY NA MAHANTRA NA MPANANKARENA.
NA TSARA TAREHY NA RATSY TAREHY
19/03/2026
👉NY TENA NAMANAO DIA TAHAKA NY KINTANA,AO ANATY HAIZINA VAO TENA MAMIRATRA IZY .
👉FA TSY TENA NAMANAO DIA TAHAKA NY RAHONA ,EO IZY REFA MAZAVA NY LANITRA.
👉FA MANJAVONA REFA MITSOKA MAFY NY RIVOTRA .
ALEO LAOZAN'OLONA ANATY ADY TOY IZAY LAOZAN'ANDRIAMANITRA
19/03/2026
🔷RY NAMAKO
👉AZA MAMPITAHA FIAINANAO AMINY HAFA ZANY.
👉NY MASOANDRO SY NY VOLANA TSY AZO AMPIATAHAINA SATRIA ,SAMY MANANA FOTOANA NOMEN'ANDRIAMANITRA AZY IREO HIPOSAHANY.
👉ANDRASO NY FITAONAN'ANDRIAMANITRA FA HIPOSAKA NY HAZAVANY FIAINANAO.
👉ARAHO EZAKA SY FINOANA FA HO AVY AMINAO NY ANJARANAO