19/04/2026
Voka-dalao - 19 Aprily 2026 -
Nandresy mazava ny AJFC tamin’ny isa 05 - 01 nanoloana ny Akamasoa, izay fandraisana anjaran'ny AJFC voalohany tato anaty ity finaninana ity.
Tena fiandohana matanjaka ho an’ny YAS Coupe de Madagascar !
Nasehon’ny ekipantsika fa vonona tanteraka izy ireo ,firaisankina, herim-po ary finiavana no nitondra ny fandresena 🙌
Misaotra betsaka anareo TIA-BAOLINA rehetra tonga nanohana sy niara-niaina ny hafaliana 💛
Mbola lavitra ny lalana… fa miaraka isika dia azo atao tsara ! 🔥
( TIA - BAOLINA )
14/04/2026
Tonga ny fotoana e ! 🔥
Hiditra voalohany amin’ny YAS Coupe de Madagascar ny AJFC 💛⚽
📅 Alahady 19 avrily
⏰ 10:00 maraina
📍 Antananarivo Ambohidratrimo
AJFC 🆚 Akamasoa
Voalohany izao… fa vonona tanteraka 💪🔥
Ka manasa tsika TIA-BAOLINA rehetra ho tonga maro hanohana, hiara-hientana, hiara-hifaly !
Andao hiaraka hanohana sy hampiakatra ny herin’ny ekipantsika !
( TIA - BAOLINA )
10/04/2026
Vita soa aman-tsara ny fihaonana! 🔥
CFFA-Andoharanofotsy
AJFC 3 🆚 2 CFFA
Nivoaka ho mpandresy ny AJFC!
Lalao feno fahavononana, fahaiza-manao ary finiavana 💪
Misaotra ny CFFA tamin’ny lalao tamin'ny lalao mendrika naseho teny amin'ny kianja🔥
Mitohy ny fanazarantena… mbola ho avy ny tsara kokoa! 🚀
( TIA - BAOLINA )
09/04/2026
⚽ LALAO ARAM-PILAHINA ⚽
CFFA-Andoharanofotsy
Ho fanomanana sy haka traikefa hatrany dia hisy ny lalao aram-pilahina hiaonana amin’ny CFFA rahampitso, Zoma 10 Aprily amin’ny 08 ora maraina.
AJFC 🆚 CFFA
📍 Kianja CFFA Andoharanofotsy
Mirary fahombiazana ho an’ny ekipa roa tonta ! 💪⚽
( TIA - BAOLINA )
08/04/2026
🔥 AJFC est prêt pour la Coupe Yas !
📅 À partir du 18 avril 2026
Nous sommes fiers d’annoncer notre participation à la Yas Coupe de Madagascar
Une nouvelle aventure commence…
Du travail, de la passion et une seule mission : tout donner sur le terrain 💪
Supporters, on compte sur vous ! 🙌
05/04/2026
✨ Joyeuses Pâques à toute la famille AJFC ! 🐣⚽
Que cette journée soit remplie de joie, de partage et de belles victoires… Sur le terrain comme dans la vie 💚
( TIA-BAOLINA )
01/04/2026
Valin’ny lalao androany 01 Aprily 2026 - Andro Faharoa - VIVA FUTBOL U17
AJFC 0 – 2 Colossien
( TIA - BAOLINA)
Tsy mora ny androany, fa tsy kivy izahay. Misaotra anareo rehetra nanohana, mbola hiady hatrany 💪💚
01/04/2026
🚨 OFFICIEL 🚨
L’AJFC est fier d’annoncer l’arrivée de notre nouveau gardien de but…
Thibaut Courtois
Un renfort de taille pour sécuriser nos cages cette saison 💪
Bienvenue au club ! 🔥
30/03/2026
Voka-dalao- Alatsinainy 30 Martsa - Andro voalohany - VIVA FUTBOL U17
AJFC 1 - 3 EFA
Nifarana tamin’ny faharesena ny lalaonay tamin’ny EFA…
Fa tsy nitsahatra niady sy nanome ireo tanora 👊
Ny androany lesona, ny rahampitso hery 💪🔥
Misaotra anareo foana amin’ny fanohanana ❤️
( TIA - BAOLINA)
30/03/2026
Nifarana tamin'ny isa 00 - 03 ny lalao izay nifanandrinan'ny AJFC VS TOULON FA, izay notanterahina ny Alakamisy lasa teo, ka nivoaka mpandresy tamin'ny zany ry zareo Toloun FA.
Na izany aza, tsy nitsahatra niady ny ekipantsika 💪
Indraindray tsy mandeha araka ny nantenaina, fa tsy kivy isika 👊
Mbola ho avy ny fotoana tsara kokoa 🔥
Mankasitra ny mpanohana sy ny tia baolina rehetra tamin'ny fanohana tsy tapaka.💚🔥💚
( TIA - BAOLINA )
24/03/2026
Ligue 1 Analamanga – Andro faha-6
Miatrika lalao manan-danja indray isika… ⚽
AJFC 🆚 TOULON FA
📅 Alakamisy 26 Martsa
🕛 12:00 atoandro
📍 Kianja CFFA Andoharanotsy
Tongava maro hanohana ny ekipantsika amin’ity fihaonana lehibe ity.🔥
(- TIA - BAOLINA -)