29/03/2026
| VOKA-DALAO | ALAHADY 29 MARSA 2026 | D1 Ligue de Football Vakinankaratra | VS Smart City |
Lavo tamin'ny isa 3 - 0 ny ekipatsika androany
Tsy resy raha lavo ka mbola vonona ny hiarina indray hanarina ny fahadisoana natao
Miezaka manatsara hatrany
29/03/2026
| FINTINA AN-TSARY | LEMUR S.A. | VS SMART CITY | D1 VAKINANKARATRA |
Fintina antsary vitsivitsy azo androany tamin'ny lalao izay notanterahina androany 29 marsa 2026
Faharesena aloha raha ny vokatra azo androany
Tsy misy kivy izany anefa fa mitraka foana dia manomana dia mianatra ary miezaka manarina ny lesoka
Ny faharesena dia lesona natao ho fanitsiana ny hoavy
Tsy misy mijanona izany eo satria ato amin'ny As Lemur dia na inona na inona zavatra miseho
29/03/2026
| VOKA-DALAO | LALAO ARA-PIRAHALAHINA | | As Magma Football |
U13
Lemur S.A. 4 - 1 HERO FOOT
U15
LEMUR S.A. 0 - 0 AS MAGMA
U15
HERO FOOT 0 - 0 LEMUR S.A.
#
29/03/2026
Tanteraka an-tsakany sy andavany ny lalao ara-pirahalahina izay natao omaly sabotsy tao @ kianja velodrome
Misaotra an'ilay Mpahary nanome hery sy tanjaka, fotoana ary nitantana ny dian'ireo avy lavitra
Isaorana ihany koa ny Hero.Foot tanΓ tonga avy any alavitra be any nifampizatra traikefa tamin'ny ankizy
Isaorana ihany koa ny As Magma Football satria dia nifampizara tao avokoa ny ekipa 3 izay natao match triangulaire
Isaorana ihany koa ianareo mpanotrona qy mpankafia tonga nanatrika sy nanafana ny lalao
27/03/2026
Rehefa avy manatrika ny match amical an'ny ankizy isika rahampitso dia hatao aingana indray ny raharaha rehetra ny alahady maraina dia hijery ny Senior indray ny alahady hariva amin'ny 03 ora tolakandro ihany koa
Fenonay kitra ny fiainanareo fa andao hiaraka aminay
Rehefa ato aminay dia
Fa na izany aza aleo vitaina maraina ihany ny raharaha ao antrano dia milamina ny saina sady miala voly mijery baolina ao amin'ny kianja Velodrome
27/03/2026
Fanomanana kely nandritra ity herinandro ity ho an'ireo ankizitsika U13, U15, U17 ho fanomanana ny lalao ara-pirahalahina izay hatao ny sabotsy hoavy izao
Andao indray hanohana ireto ankizy kelitsika ireto rahampitso amin'ny 03 ora tolakandro ao amin'ny kianja Velodrome Antsirabe
18/03/2026
| Prochain Match | Dimanche 22 mars 2026 | VS AS Magma |
Tonga indray ity ny fotoana manaraka izay efa lalao miverina fahatelo sahady ho an'ny ekipatsika
Andao ho tohanana fa tsy misy mijanona izany eto fa
Aleo ihany hoy aho mahita toy izay tantaraina
Aza tara fa baolina be io, @ 09 ora maraina no manomboka ny ady goavana ifanandrinan'ny As Magma sy ny As Lemur
09/03/2026
| VOKA-DALAO | ALAHADY 08 MARSA 2026 | D1 VAKINANKARATRA |
Niondrika tamin'ny isa 3-4 ny ekipatsika ny alahady lasa teo na dia efa niezaka mafy aza nanenjika isa
Tsy resy raha toa ka lavo kanefa mbola sahy miharina dia mbola vonona ny hanoy foana
Toy izany mihitsy ny Lemurs SA, mbola vonona hiarina, hiatrika ary hanatsara hatrany
Mankasitra ny mpanohana rehetra ary mampanantena zavatra tsaratsara kokoa amin'ny lalao manaraka
08/03/2026
Maninona tsara hoe ry Benja aahπππ
Miala tsiny raha misy anarana Benja fa tsy Ianao kaπππ€·
#2026
08/03/2026
| JOURNΓE MONDIALE DE LA FEMME |
βCΓ©lΓ©brons la force et la passion des femmes ! πͺβ½
Bonne fΓͺte du 8 Mars Γ toutes.
βFoot ihany, Foot hatrany.
Que du Foot, Toujours Foot
#2026
06/03/2026
Vao vita ny match aller dia efa raikitra sahady indray ny match retour
Andao hiaraka hoany Betafo daholo hanohana ny ekipatsika
Tsy hakiandriandry ity fa tonga de raikitra eeh
Izay ilay hoe foot ihany foot hatrany