01/08/2025
Tiako ianao...
Fa izaho aky tsy afaka miaina tsy misy football . ⚽️❤
Ianao ao am-poko...
Fa ny football ao anaty fanahiko .
Ianao no masoandro manazava ny androko ,
Fa ny football no kitana manazava ny aliko .
Hiaraka aminao no tiako hanorenana ny hoaviko...
Fa eny ambony kianja no tiako hanoratana ny tantarako .
Ny alahelonao dia mampanganohano ny masoko ,
Fa ilay but matin'ny Adve amin'ny ora farany kosa mampilatsaka ny ranonasoko .
Rehefa alina aho manofy anao ,
Fa rehefa andro aho manofy te hahafaty baolina .
Ny fitiavanao mety handratra ahy ,
Fa ny baolina kitra kosa manarina ny rava rehefa .
Tsaiko oe mba tsapanao ihany ve izany aky ? 🥺
Ianao tiako fa ny foot tsy afaka ariako . 😭
Ka mahazo manantena ve aho , fa isika roa dia ho Ekipa iray mandrakizay miaraka amin'ny football ? ⚽️🙏❤
Football pour toujours
24/12/2022