Leadership training Institute

Leadership training Institute

Share

Programme de formation en Leadership

05/06/2026

Ny fahaizana mitantana fihetseham-po dia zava-dehibe satria:
👉 Manampy ny olona na leader hifehy tena (tsy mora tezitra na miasa amin-katezerana)
👉 Manatsara fifandraisana amin’ny ekipa sy ny manodidina (confiance sy respect)
👉 Mampitombo motivation sy fahavononan’ny olona hiasa
👉 Manampy amin’ny fanapahan-kevitra marina kokoa
👉 Mampihena ady sy olana amin'ny olona manodidina

Ho anao izay mbola manana olana amin'ny fifandraisana amin'ny olona noho ny tsy fahaizana mifehy fihetseham-po ary dia aza adino ny fotoanatsika amin'ny 20 juin ho avy izao đŸ„°âœš

✹ Accompagne 50%
✹ Inscription :
https://forms.gle/KD3oWJZ8q7eoN1SG8

05/06/2026

Tsy ny fahombiazanao foana no miankina amin’ny talentanao, fa matetika dia miankina amin’ny olona manodidina anao koa. Misy fotoana tsy mihemotra ianao satria tsy mahay, fa satria voahodidin’ny tontolo tsy mampandroso anao.

Ary matetika dia misy famantarana toy ny hoe:
👉 Rehefa manomboka manana nofinofy ianao dia misy olona manakivy , milaza hoe "tsy ho vitanao izany io" na “aleo tsy manandrana”. Raha matetika ianao no voahodidin’ny olona tsy mino ny fivoarana, dia mihena tsikelikely ny herim-ponao hanandrana.
👉 Misy ihany koa ireo olona tsy tia mahita anao miova ho tsara kokoa. Rehefa manomboka mandroso ianao dia lasa misy fialonana, tsikera tafahoatra, na fanakiviana miafina. Tsy manampy anao hitombo izy ireo fa mitazona anao ho eo amin’ny toerana iray ihany.
👉 Famantarana iray lehibe koa dia rehefa tsy misy resaka mitondra vokatra intsony ny fifandraisana. Lasa resaka fialamboly fotsiny, fitarainana, na resaka tsy mampandroso no be dia be, fa tsy misy fanentanana na inspiration intsony.
👉 Ary farany, rehefa ao anatin’io entourage io ianao dia mahatsapa fa mihena ny motivation-nao, mihena ny tanjonao, ary lasa mahazo aina amin’ny mediocritĂ© ianao. Raha ny marina, ny tontolo manodidina anao dia tokony hanetsika anao hitombo, fa tsy hampatory anao.

Tsy midika hoe mankahala olona ny fanovana entourage, fa midika hoe manaja ny hoavinao satria ny olona manodidina anao dia mety ho “fitaratra” mampiseho hoe ho aiza ianao.

05/06/2026

⭐ Maro ny olona manana hevitra tsara, nofinofy lehibe, ary motivation be rehefa manomboka zavatra iray. Faly izy amin’ny voalohany, mazoto ary feno fanantenana saingy rehefa mandeha ny fotoana dia mihena ilay hafanam-po, dia ajanony ilay izy ary mitady zavatra vaovao indray.

✹ Ny olana matetika dia tsy ny tsy fahampian’ny talenta na ny faharanitan-tsaina, fa ny tsy fahampian’ny discipline, focus ary constance.
Ny motivation dia mahatonga anao hanomboka, fa ny discipline no mahatonga anao hanohy rehefa tsy te hanao intsony ianao. Ny focus kosa no manampy anao tsy ho voasariky ny zavatra vaovao rehetra hitanao. Ary ny constance no mampandroso anao isan’andro, na dia kely aza ny dingana ataonao

👉 Misy olona maro tia ny fahatsapana hoe “manomboka zavatra vaovao”, saingy tsy dia tia ny dingana sarotra ilaina hahazoana vokatra. Kanefa ny fahombiazana dia tsy avy amin’ny zavatra maro atomboka, fa avy amin’ny zavatra iray izay tohizana mandra-pahavitany.
Ny tena maha samy hafa ny olona mahomby sy ny hafa dia tsy hoe manana hevitra tsara kokoa izy ireo, fa mahay mijanona amin’ny lalana nofidiny na dia lasa sarotra sy mandreraka aza izany.

Tsarovy: Tsy ny fanombohana no sarotra indrindra fa ny fanohizana rehefa lasa mankaleo, sarotra ary tsy mbola hita ny vokatra no tena fitsapana ny discipline sy ny herin-tsaina. Izay mahavita izany no mahita fiovana tena izy eo amin’ny fiainany

05/06/2026

Tsy tonga tampoka ny fahaverezan’ny ambition fa matetika izy io dia mihena tsikelikely, kanefa tsy tsapanao akory raha tsy efa lavitra ny nofinofinao ianao.

Ary matetika dia misy famantarana toy ny hoe:
đŸ”č Tsy manana tanjona mampientanentana anao intsony ianao, talohan’izay anefa feno projet sy nofinofy ny sainao. Ankehitriny kosa, ny tanjonao dia ny hahatapitra ny journĂ©e sy avita asa fotsiny.
đŸ”č Mijanona tsy mianatra sy tsy mitady hivoatra ianao satria rehefa mihena ny ambition, dia mihena koa ny fahalianana hianatra zavatra vaovao sy hanatsara ny tena.
đŸ”č Mampionona ny tenanao amin’ny excuses ianao "Tsy mety amiko izany." "Tsy mbola fotoanako izao." "Sarotra loatra." Lasa maro kokoa ny antony tsy hanaovana zavatra noho ny antony hanaovana azy.
đŸ”č Tsy mahatsiaro zavatra tsara intsony ianao rehefa mahita olona mahomby
Talohan’izay nefa, ny fahombiazan’ny hafa dia namporisika anao. Ankehitriny kosa, mety hahatonga anao hiteny hoe: "Tsy ho vita mihitsy izany."
đŸ”č Matahotra mihoatra noho ny maniry ianao Lasa mifantoka amin’izay mety ho very fa tsy amin’izay mety ho azo.
đŸ”č Lasa mahazo aina loatra ao anatin’ny zone de confort ianao
Tsy ratsy ny mahazo aina. Fa rehefa tsy misy zavatra manery anao hitombo intsony, dia mety ho famantarana fa mihena ny ambition-nao izany.
đŸ”č Mitsahatra tsy mino ny fahafahanao ho lasa tsara kokoa ianao. Io no famantarana mampidi-doza indrindra. Satria rehefa tsy mino ny fivoaranao intsony ianao, dia tsy hiady ho amin’izany intsony koa.

💡 Matetika nefa ny ambition tsy maty matetika. Fa matory. Ary matetika dia ny fahazarana, ny tahotra, ny fahadisoam-panantenana ary ny zone de confort no mampatory azy.
Tsarovy: Tsy ny taonanao no mamaritra ny halehiben’ny nofinofinao, fa ny fahavononanao hanohy handroso na dia miadana aza.

05/06/2026

Tsy hoe satria ratsy fanahy akory ny olona tsy mandray critique fa matetika dia satria raisin’izy ireo ho toy ny fanakianana ny maha-izy azy ny critique, fa tsy ho toy ny fanampiana azy hivohatra

Matetika dia ireto ny antony:
đŸ”č Matahotra ho diso izy :
Misy olona mihevitra fa ny fanekena hadisoana dia mariky ny fahalemena kanefa ny tena fahalemena dia ny tsy fahafahana mianatra amin’ny hadisoana.
đŸ”č Be ego loatra :
Rehefa ilay manana fisainana hoe “tsy maintsy marina foana ” ny fahatokisan-tena, dia lasa sarotra ny mandray hevitra mifanohitra amin’izany.
đŸ”č Tsy matoky tena ao anatiny:
Indraindray, ireo olona mora tezitra rehefa voatsikera no tena manana fahatokisan-tena marefo indrindra. Tsikera na critique kely momba azy fotsiny dia efa hahatsapany fa hoe fanambanina azy.
đŸ”č Zatra tsikeraina amin’ny fomba ratsy:
Raha nihalehibe tao anaty tontolo feno fanakianana sy fanalam-baraka ny olona iray, dia mety hihevitra izy fa ny critique rehetra dia fanaratsina fa tsy fanampiana.
đŸ”č Tsy mbola nahatakatra fa ny feedback dia fitaovana fitomboana :
Ny olona te-hitombo dia manontany hoe: "Inona no azoko hatsaraina?" Fa ny olona tsy te-hiova kosa manontany hoe: "Fa maninona ianao no mitsikera ahy?"

💡 Ny leader matanjaka indrindra dia tsy ilay tsy manao fahadisoana mihintsy , fa ilay mahay mihaino rehefa misy milaza ny lesoka tokony hatsarainy.
Satria ny olona mandĂ  critique dia miaro ny ego-ny fa ny olona mandray critique kosa manangana ny hoaviny.

05/06/2026

Ny tena mpitarika dia manangana ny équipe-ny ho lasa mpitarika ihany koa

05/06/2026

đŸ„°

03/06/2026
03/06/2026

Ny ato mo izany dia izay mahafaly anareo mihintsy no atao 😂
Ity indray ary ny atelier de formation atsika manaraka đŸ„°
Koa satria maro ianareo no nanotany hoe rahoviana indray no misy fa tsy afaka izahay tamin'ilay farany teo, dia ny 20 Jona ho avy izao indray ny daty nosafidianay hiarahana aminareo hianaratsika mahakasika ny fahaizana mitantana ny fihetseham-pođŸ„°....
Marihana eto fa tsy izahay no nisafidy io lohahevitra io fa maro taminareo no nangataka dia tongava maro ary, indrindra ho anao izay:
~ mora tezitra đŸ˜€
~ mora malahelo 😱
~ mora mitahiry ao anaty ka lasa manafitohina ny hafa
~ na mahatsapa fa sarotra tantana ny fihetseham-po
dia tena ho anao ity formation ity đŸ„°

📌 Tongava maro, dia aza tara fa voafetra ihany ny toerana , satria tsy te-hahita olona mijaly amin’ny fihetseham-pony izahay fa te-hahita olona mahatakatra tena sy mahafehy ny fiainany đŸ’Ș✹

Dia mba hisorohatsika ilay olana ohatran'ny tamin'ny farany teo dia voatery manova ny fomba fandraisana anjara izahay. Mila mandoa accompte 50% mialoha mba hanamafisana sy hamandrihana toerana satria maro no te hanatrika kanefa misy olona manoratra anarana fotsiny dia aveo tsy hita akory rehefa tonga ilay fotoana nefa maro be ny mbola te hanoratra anarana fa fenonareo ilay place đŸ„°

👉 Inscription
https://forms.gle/KD3oWJZ8q7eoN1SG8

03/06/2026

Tsy very tampoka ny confiance en soi fa matetika izy mihena tsikelikely, ka tsy tsapan’ny olona akory mandra-pahatonga azy ho sarotra miteny, mandray dĂ©cision, na maneho hevitra ary ny mampidi-doza dia rehefa manomboka zatra ilay fisalasalana ianao dia lasa tsy fantatra intsony hoe very confiance en soi ianao.

👉 Ny famantarana voalohany dia rehefa manomboka misalasala amin’ny zavatra tsotra ianao. Te hiteny zavatra ianao nefa mihemotra foana, na miandry ny hevitry ny hafa vao mandray dĂ©cision.
👉 Misy koa rehefa manomboka mampitaha tena amin’ny hafa foana ianao. Lasa mahatsapa ianao fa ambany foana, na tsy ampy na inona na inona ataonao.
👉 Ny olona mihena confiance en soi dia tsy sahy mandray initiative, tsy sahy miteny amin’ny rĂ©union, ary matetika miandry olona hafa handray dĂ©cision.
👉 Matahotra diso na dia amin’ny zavatra kely aza
👉 Manakiana tena be loatra rehefa misy erreur
👉 Miankina be amin’ny validation avy amin’ny hafa

Inona ary ny solution ?
✔Manaova action kely isan’andro mampivoaka anao amin’ny zone de confort
✔ Atsaharo ny comparaison amin’ny hafa
✔ Mianara manaiky fa normal ny diso sy ny apprendre
✔ Tsarovy ny progrĂšs nataonao fa tsy ny tsy vitanao
✔ Mitenena na dia amin’ny zavatra kely aza mba hampiofana confiance
✔ Mianara mifandray amin’ny olona mampitombo anao fa tsy mampidina anao

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo