08/08/2026
🕊️ MANDRIA AM-PIADANANA, SENSEI HERIZO 🥋
Amin’ny anaran’ny Club Tekado, dia maneho ny fiaraha-miory lalina amin’ny fianakavian’i Sensei Herizo sy ny Club Ichiban izahay.
Misy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Club Tekado ankehitriny izay mpianany taloha, ka tena akaiky ny fonay izao fahoriana izao.
Misaotra, Sensei, tamin’ny fahalalana sy ny soatoavina nampitainao taminay. Tsy hohadinoina mandrakizay ny lova navelanao teo amin’ny Karate.
🙏 Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny Club Ichiban.
Mandria am-piadanana, Sensei Herizo. 🕊️🥋
Club Tekado