04/10/2025
☠️☠️MILA MANOVA ☠️☠️
Tsy haiko hoe, anala azy ve isika sa anala andro sa anala Andry ?
Efa andro maromaro izay ny hetsika, nefa ny vokatra tsy miova.
Efa iaraha-mahita fa miziriziry amin'ny heviny ny eo anivon'ny fitondrana sy ny Tafika hery famoretana. Tsy miambahamba mampiasa hery misambotra, mandratra, mamono antsika.
Ny antsika nefa tsy misy fanovana mba hanamafisana ny tolona fa ny paikady omaly tsy niova ihany.
Sao mba mila ovaina ilay fomba fiady e?
1-Toerana iray ihany no hifanaovana fotoana, ary eo no miara-miainga avy eo (IZAY MITAMBATRA VATO E)
2-Mila miomana amin'izay fifandonana tsy maintsy hiseho, kibay an-kelika (MAHERY TSY MAODY TSY ELA VELONA)
3-Mila Raisina an-tanan-droa avokoa izay te hanatevin-daharana ny tolona, rehefa tratra ny tanjona hita eo ny tohiny.(FA NY ZAVA-DREHETRA DIA MIARA-MIASA HAHASOA)
4-Mila ajoro mazava tsara izay mpitarika mba harahin'ny mpitolon.( BIBY TSY MISY LOHA VE HANDEAHA ?)
5-❌TSY NAMANAO NY ZANDARIMARIA❌