22/04/2026
✅CONFERENCE SUD | JOURNÉE 14
AS SAINTE ANNE 💙VS ELGECO PLUS🩶
📅DIMANCHE 26 AVRIL 2026
🕑12H00
📌STADE CFFA IAVOLOHA
🔥
🤍💙
OFFICIEl
22/04/2026
✅CONFERENCE SUD | JOURNÉE 14
AS SAINTE ANNE 💙VS ELGECO PLUS🩶
📅DIMANCHE 26 AVRIL 2026
🕑12H00
📌STADE CFFA IAVOLOHA
🔥
🤍💙
22/04/2026
RANDRIANIRINA Jean Théophile
Na i Dofa
🛡️ Kapiteny | Défenseur central / Latéral
⚽ Nilalao baolina kitra hatramin’ny fahazazany ary nanomboka ny nofinofiny tao amin’ny Saint Michel Aparibe sy AJESAIA
⚽ Nanomboka ny taona 2014 kosa no niaro ny lokon'ny AS Sainte Anne hatramin’izao
💪 Mpilalao miaro sady kapiteny, mitondra finiavana sy herim-po, vonona hiady sy hitarika ny ekipany amin’ny fotoana rehetra.
🎯 Tanjony
– Ho tompondakan’i Madagasikara miaraka amin’ny Ekipa
– Hiditra ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy 🇲🇬
"Ny maha mpilalao tsara dia mitaky fiezahana sy discipline isan’andro. Ny fitiavana lalina an’ity taranja ity no manosika hanohy sy hanatsara hatrany"
20/04/2026
⚽️Ampahan-tsary nandritra ny fihaonana tamin'ny COSPN
🔥
🤍💙
20/04/2026
⚽ Vokatra farany : AS SAINTE ANNE 5 – 3 COSPN
Fandresena mendrika ho an’ny ekipantsika 💪
17/04/2026
✨RANDRIAMBOLOLONA Jean Freddy
Demi gauche – AS Sainte Anne
Numéro 13
Nanomboka nilalao baolina kitra hatramin’ny fahazazany tao amin’ny sokajy U13, notohanan’i Mama sy ireo namany izay nanosika azy hanohy hatrany. Tamin’ny taona 2022 no tena niditra lalindalina kokoa teo amin’ny sehatra, ka lasa ampahany lehibe amin’ny fiainany ny baolina kitra.
Amin’izao fotoana izao dia mpilalao ao amin’ny AS Sainte Anne izy, ekipa iray nofidiny noho ny firaisankina sy ny fifampitokisana eo amin’ireo mpilalao, izay mitovy tanjona sy mifanaraka tsara eny an-kianja. Ny mampiavaka ny ekipa dia ny herim-po sy ny fahatokisan-tena entina mandritra ny lalao rehetra.
« Raha ny momba ahy manokana dia miezaka hatrany aho milalao amin’ny fo, tsy mora kivy ary vonona hatrany hanome ny tsara indrindra ho an’ny ekipa sy ny mpanohana »
🎯 Tanjony : Hanohy hivoatra sy hahatratra ny ambaratonga ambony kokoa eo amin’ny baolina kitra.
🙏 Hafatra :
Misaotra indrindra ny fianakaviana sy ny namana izay nanohana hatrany, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. Tsy ho tonga amin’izao raha tsy teo ianareo. Mankasitraka indrindra‼️
16/04/2026
✨RANDRIANAIVO NOMENJANAHARY TSIKY
Na i RASTA
Milieu Offensif (N°8) – AS Sainte Anne
Mpilalao baolina kitra nanomboka hatramin’ny fahazazany, mitondra finiavana sy nofinofy lehibe eo amin’ny làlany amin’ny maha mpilalao azy.
📌Ny tanjony dia ny hahatratra ny sehatra ambony indrindra, ka anisan’izany ny fidirana ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy ary hanampy ny AS Sainte Anne ho isan’ireo ekipa matanjaka eto Madagasikara.
Amin’ny maha milieu offensif azy, dia mpamorona lalao izy, mahay mandrindra ny fanafihana ary mitondra hery ho an’ny ekipa eny an-kianja.
✅"Ny baolina no làlako, ary ny tanjoko dia ny hiakatra hatrany ambony miaraka amin’ny ekipako.”
Ny ezaka sy ny firaisankina no mitondra fahombiazana, ary vonona hatrany hanome ny tsara indrindra ho an’ny klioba sy ny mpankafy.
💙 Iza avy ireo miaro ny lokon’ny AS SAINTE ANNE…
fantatrao ve izy rehetra ? 👀
Andao ho fantarintsika tsikelikely amin’ny alalan’ny portrait joueurs 🔥⚽
Tohano hatrany ny ekipantsika 💪
14/04/2026
Programme manaraka indray ⚽
✅AS SAINTE ANNE VS COSPN
📅DIMANCHE 19 AVRIL 2026
🕑14:00
📌STADE CFFA IAVOLOHA
TONGAVA MANOHANA NY EKIPANTSIKA 🔥💪
🔥
🤍🩵
14/04/2026
Sary nandritra ny fihaonana teo amin’ny MAMA FC sy AS Sainte Anne ⚽🔥
🔥
🤍🩵
12/04/2026
Resy 3-0…
Fa mbola mijoro, mbola vonona hiady hatrany 🔥🤍🩵
🔥
🤍🩵
12/04/2026
🔥ireto ary ny 11 depart hiaro ny voninahitrin'ny ekipa androany
Alefa zalah ⚽💪
⚽ Mama FC 🆚 As Sainte Anne
10/04/2026
Fifehezantena miampy ny ezaka tsikelikely isan'andro ⚽
Ny discipline no mampiavaka ny matanjaka, ary ny finiavana no mitondra lavitra.
✨ Mianatra sy mandroso hatrany. 💪🔥
🔥